Fifidianana Maire-n'Antananarivo

Publié le par rhaj

Nosoratana tao amin'ny sehatra Tafatafa tamin'ny 05-12-2007 

Mba manarakaraka ity fifidianana Maire dia mahita ireo fampanantenana isan-karazany. Ankoatry ny cours gratuits sns... dia nahita ilay pirozé, efa vita makety, espace vert d’Antsojombe, mahazaka 100.000 olonolona.. (jereo ohatra Les Nouvelles )

Dia hoe ho'a hoe, mba "masinina" (fanjairana) ho'a no angatahan'ny sipan'Antaninarivo, fa dia, rahefa mendimendy ny hitoko rizalahy, dia ho omeny h@ "gara" hono e... sady TGV io...

Aty Montréal, dia nisy Maire Drapeau nanosika io stady olaimpika BE io; tsy vitan'ny hoe bokan'ny trosa ny Montréalais, fa ireo ekipa-na soccer sy foot eto @ tanana dia tsisy mety hilalao ao @le stady : mangebagebaka hono fa tsy ho feno mihintsy tsinona ny 73.000 olonolona.

Dia na izay biodze an'io pirozé be io aza ve dia avy aiza ? (raha mba te-hamely kidaladala eto aho izao dia hoe, avy @ trezaoro-de-gera-n'i Pierrot hono e...). Raha ny hevitro dia tokony ny privé no tena tokony ho tompon'antoka @karazan-javatra toa io, fa ny Mairie dia miara-miasa sy mandrisika fotsiny ihany. Sahala @ fandrisihany ny privé na/sy ny fiarahany miasa @ gvt isan-tsokajiny ary ministera : aires de jeux, jardin/piscine/... publics, jardins communautaires, lavoirs, pompe, égouts, fidiovan'ny tanana, sécurité...

 


 

Nosoratana tamin'ny 10-12-2007

 Toa samy mampanantena "gara" daholo ihany izay maneno. Raha mba fantatra ny biodze (vola miditra indrindrindrindra) @ Mairie, dia ho hitan'ny havany eo izay tsy mandanja ny vola mivoaka fa "mpampanantena gara" fotsiny. F'ilay Antsonjombe-na 100,000 olonolona k'aloha zareo dia mihoatra ny loha e.

Fa toa tsy vitan'ny manebaka ny "goaik'antitra" hono izany ny TGV, fa indrindrindrindra koa, tsy nivarina t@ "fomban'ny goaik'antitra" koa. Ka dia ameko ny "thumbs-up"-ko izy raha izany. Raha afaka mampiteny ny vato t@izay "fomba madio" izay ny TGV, dia anatra tsara ho an'ny "goaika" izany... dia mba miakatra koa ny côte-n'ny gasy @ ireo indices-n'ny WB @ good governansy...

 


 

Nosoratana tamin'ny 10-12-2007

I Andry ve afaka hampiditra mpamatsy vola (investisseurs) tsara ho an'Antananarivo ? 
Mba fijery avy lavitra ny ahy : ny mpamatsy vola ho tonga rahefa :
- mahazo bôjo avy @ rafanja : kely ny tax/impots/redevances ho alaina aminy, ankoatr'izay fanampiana @ infrastructures sns...
- milamina ny tany
- ... etsetra ...

ka na i Hery io na i Andry, dia ... raha "normal", dia tokony "mitovy" ny chance... mety ny dynamisme-ny tsirairay @ fikôtiana mpamatsy vola no tsy hampitovy kely azy...

 


 

Nosoratana tamin'ny 13-12-2007

Miarahaba... ary dia "thumbs-up" izany ho'a ho an'ny TGV...

Dia... "sakoa izay" koa ho an'ny goaika... na ny goaika mpibohikôty, na ny goaika mpandoto rano sns...

Hoy ny eto  hoe
"zakantsika ny demokrasia"... Ho hita eo raha hoe "isika rehetra" tokoany àry izany...
 
 

Publié dans Politique

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article