Lalampanorenana ho avaozina ?

Publié le par rhaj

16/12/2007

1- tokony ovaina (na avaozina na atsaraina) aloha ity Lalampanorenana ity. Efa nosimbain-dry Zafy sy Ratsiraka t@ fitiavan-dreo hanana fahefambe ilay "revy t@ 1991", na dia hoe neken'ny referandoma roa aza izany. Amiko manokana, afaka hilaza ianao hoe tsy-fitiavana izany, fa dia tena "henatra" raha toa ka i Ratsiraka no mba rain'ny Lalampanorenana (révisée) malagasy.

2- noho io ambony io, dia tokony ahitsy izany ilay fitsinjaram-pahefana eo anivon'ny andrimpanjakana, raha toa ka lasana nivangongo tao @ Presidansa, na koa tsy mba nahafahana mi-check ny Presidansa. Dia tokony ahitsy koa ny tampi-maso nozarazaraina, ka ahena ny vesatry ny andrimpanjakana isanisany (Executive tsy vesarana PM, ny Legislative ahena isa, ny Judicial ahena ireto instances isan-karazany)...
 
3- rahefa hanao io ambony io ihany, dia soasoa ho an'ny Fitondrana ankehitrio ny mba manao Lalampanorenana maoderina (mitaratra sy mianatra ny traikefan'ny hafa, indrindra ny aty Amerika Avaratra) mba aharitra-mandrakizay; ary ilay Lalampanorenana dia mifototra @ andrimpanjakana sy izay rafitra eo, fa TSY @ "olona". Rahefa milamina ny rafitra sy fitsinjaran'ny fahefana (miampy check & balance mazava) eo anivon 'ny andrimpanjakana, dia n'izan'iza no eo, dia tokony "milamina" eo koa io.

Fa ny tena zava-dehibe, dia ny hamaritana mazava ny @ "check and balance", araka ny fametrapetrahan'ny Firenena hafa rehetra ny azy :

A- Executive
1- Executive checks on Legislative
2- Executive checks on Judicial
B- Legislative
1- Legislative checks on Executive
2- Legislative checks on Judicial
C- Judicial
1- Judicial checks on Legislative
2- Judicial checks on Executive

/ / / / / / / / / /

22/02/2007

 Raha izaho manokana koa dia miombo-kevitra @izany koa. Ny antsika ny Senat dia "organe CONSULTATIVE" fotsiny, ary CONSULTATIVE fotsiny ihany (f'izany hoe ahafahana manome tampi-maso ny akama-tsy-akama koa).

Raisiko fotsiny ny an'ny amerikana, fa ny azy, ny Sénat dia isan'ny lakile isian'ny "check and balance" eo anivon'ny andrimpanjakana isan'isany.

jereo eto ny an'ny Amerikana (nosivaniko ny an'ny Senat fotsiny) :

Legislative Branch

Checks on the Executive
Trial of impeachments (Senate)
Selection of the Vice President (Senate) in the case of no majority of electoral votes
May override Presidential vetoes
Senate approves departmental appointments
Senate approves treaties and ambassadors
Approval of replacement Vice President
Power to declare war
Power to enact taxes and allocate funds
President must, from time-to-time, deliver a State of the Union address

Checks on the Judiciary
Senate approves federal judges
Trial of impeachments (Senate)
Power to initiate constitutional amendments
Power to set courts inferior to the Supreme Court
Power to set jurisdiction of courts
Power to alter the size of the Supreme Court 

marihiko kely fotsiny fa ny ankabeazan'ireto fahefana dia navangongon'i Zafy sy Ratsiraka ao @ fahefan'ny Presidansa SAMY IRERY daholo.

/ / / / / / / / / /

26/02/2007

Toa hotry ny ho foanana izany hono ity hoe "provinces autonomes".  Raha ny fahazoako ny ao @ L'Express dia
1- ireto P.A. ireto kay TSY tao @ Lalampanorenana 1991 akoriny fa novolen-dRatsiraka tao fotsiny,
2- dia na ireo namboly azy tao aza dia TSY nanome azy ny fitaovana (budget) ahafahany miasa @ tokony izy akoriny.
D'inona izany fa tsy "roitelet" mpanaraka baiko sy ho "tampon" raha misy loza fotsiny ireto governora ??
 
Raha izaho manokana dia miombon-kevitra ny @ hanafoanana izany koa :
1- manala "centralisation" na "bureaucratisation" iray izany; dia manala "tampi-maso" na "roitelet" iray koa.
2- mamono ilay fitiatiavana "autonomiste" na "fédéraliste" na "séparatiste" koa...

 

Publicité

Publié dans Malagasy

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article