Fifidianana 2006 : Fidio Ra8
Raha ny fijeriko manokana, dia :
1- taratro miova ny fiatrehan'ny malagasy ny asam-panjakana sy ny fiainam-pirenena : tsapako miha-mivoitra ilay "obligation de resultat" izay nentin'i Ra8 @ maha-mpandraharaha azy; taratro mahatsinjo ny tanjona tiany, na tokony, ho tratrariny izy ary miroso hatrany (mi-se positionner) ahatratra izany tanjona izany;
2- tsapako misy ary mivaingana ny zava-bita (tsy ny lalana ihany fa ireo MCA, PICS, ...), ary ao koa ny ezaka hisian'ny "bonne gouvernance" (BIANCO, Loi sur la concurrence,...);
3- ary tsapako misy ny fahavononana hanohy an'ireo.
Marina fa misy (na betsaka, arakaraka io) ny "mihao-pefy" na koa "fanaparana" nataony sy nataon'ny manodidina azy, nefa, amiko manokana, ny fampiasany ny "empire"-ny ohatra, raha "hampandroso" no vokatra farany azo (ALMA manao lalana, Vohidiala mamoka-bary, ...) dia leferiko ihany ilay "fanaparana. Hatraty Kanada koa anie misy toatoa izany ihany : ohatra ilay PM taloha, fony ministra, dia nampahazo ny "armateurs", nefa izy dia tena anisany @io.
Raha mijery ireo kandida efatra mba mavesabesatra aho, dia tsy mino (finoako manokana io) na tsy mahatoky velively vao mijery ny "lasany" fotsiny. i Herizo sy ry Lahiniriko ary koa i Rolland dia niraiki-tapisaka loatra t@ Ratsiraka, koa tena tsy mahatoky aho, na votoatin-kevitra, na fomba fisainana/fiasa, indrindra moa izay "ekipa" hiaraka aminy eo. Ratsirahonana indray, rahefa manaraka ny propagandiny, dia tsy itokiako teny intsony noho ireto fampanantenana mirarakopana ataony. Saika toatoa izay koa i Elia. Ny ambiny moa, rahefa nanohana an'i Fidy, dia midika amiko fa ny mampivarina an'i Madagasikara no "hainy".
Raha ny @ 5 taona manaraka indray, raha ny fijeriko manokana, dia mila mijoro ny tsirairay. You Must Be The Change You Wish To See In The World, hoy Gandhi izay. Koa raha mbola "miavaralila" lava izao ny "opposition", na mioalaoala ny hafa (toa an'i Rajakoba, rahefa fifidianana ihany vao maneno), dia ny tsirairay no antenaina. @izao andron'ny internety izao, toa ny ao US ao hono, efa lasa "faiseur d'opinion" koa anie ohatra ireo mpanao "blog", izay tsy inona fa olon-tsotra toa izaho sy ianao.