Partager l'article ! Fifidianana 2006 : Fidio Ra8: Raha ny fijeriko manokana, dia : 1- taratro miova ny fiatrehan'ny malagasy ny asam-panjakana sy ny fiainam-pire ...
Raha ny fijeriko manokana, dia :
1- taratro miova ny fiatrehan'ny malagasy ny asam-panjakana sy ny fiainam-pirenena : tsapako miha-mivoitra ilay "obligation de resultat" izay nentin'i Ra8 @ maha-mpandraharaha azy; taratro mahatsinjo ny tanjona tiany, na tokony, ho tratrariny izy ary miroso hatrany (mi-se positionner) ahatratra izany tanjona izany;
2- tsapako misy ary mivaingana ny zava-bita (tsy ny lalana ihany fa ireo MCA, PICS, ...), ary ao koa ny ezaka hisian'ny "bonne gouvernance" (BIANCO, Loi sur la concurrence,...);
3- ary tsapako misy ny fahavononana hanohy an'ireo.
Marina fa misy (na betsaka, arakaraka io) ny "mihao-pefy" na koa "fanaparana" nataony sy nataon'ny manodidina azy, nefa, amiko manokana, ny fampiasany ny "empire"-ny ohatra, raha "hampandroso" no vokatra farany azo (ALMA manao lalana, Vohidiala mamoka-bary, ...) dia leferiko ihany ilay "fanaparana. Hatraty Kanada koa anie misy toatoa izany ihany : ohatra ilay PM taloha, fony ministra, dia nampahazo ny "armateurs", nefa izy dia tena anisany @io.
Raha mijery ireo kandida efatra mba mavesabesatra aho, dia tsy mino (finoako manokana io) na tsy mahatoky velively vao mijery ny "lasany" fotsiny. i Herizo sy ry Lahiniriko ary koa i Rolland dia niraiki-tapisaka loatra t@ Ratsiraka, koa tena tsy mahatoky aho, na votoatin-kevitra, na fomba fisainana/fiasa, indrindra moa izay "ekipa" hiaraka aminy eo. Ratsirahonana indray, rahefa manaraka ny propagandiny, dia tsy itokiako teny intsony noho ireto fampanantenana mirarakopana ataony. Saika toatoa izay koa i Elia. Ny ambiny moa, rahefa nanohana an'i Fidy, dia midika amiko fa ny mampivarina an'i Madagasikara no "hainy".
Raha ny @ 5 taona manaraka indray, raha ny fijeriko manokana, dia mila mijoro ny tsirairay. You Must Be The Change You Wish To See In The World, hoy Gandhi izay. Koa raha mbola "miavaralila" lava izao ny "opposition", na mioalaoala ny hafa (toa an'i Rajakoba, rahefa fifidianana ihany vao maneno), dia ny tsirairay no antenaina. @izao andron'ny internety izao, toa ny ao US ao hono, efa lasa "faiseur d'opinion" koa anie ohatra ireo mpanao "blog", izay tsy inona fa olon-tsotra toa izaho sy ianao.
manahoana!
efa vazaha fijery ianao.
tsy dia manana ambara aho afatsy ny hoe raha tena tia an'i madagasikara, dia modia any. tsotra be ilay hevitro.
za niala tany dia aleoko mangina. tsy manana conseil homena ireo gasy mafy ady any antanindrazana aho satria manatsaina ny gasy any atanindrazana fa tsy misy azony atao. raha manana hevitra mahomby aho dia mody any manatanteraka ny hevitro dia hita eo na hendry aho na tsia fa matetika ny vazaha gasy izay tsy mahalala akory ny ngidin'ny fiainana any dago , sady tsy sahy mody any akory nefa milaza ho tia tanindrazana no mivarotra nofy ho an'ny gasy.
misaotra anao
Araky ny napetrako (ampahatsorana) @ rehetra etsy @ "Sur l'auteur...", dia ny hizara "fomba fijery", izay mbola "iriko" ho araka ny fo gasy, no arosoko eto. Liana @ "fomba fijery"-n'ny hafa rehetra aho, nefa satria moa, araky ny hafatr'i Gandhi hoe, "ianao ihany no erany", dia natomboko @ nandrosoko ny ahy eto izany. Na izany aza, dia tsy afaky ny mandà aho hoe "tsy vazaha fijery", na "tsy mivarotra nofy", raha izay no fandraisan'ny mpijery azy.
MIsaotra tsy misorona :)